Tia ahy Andriamanitra

Tia anao tsy misy fepetra Andriamanitra. Mahafantatra anao Izy ary te hifandray aminao. Maniry ny tsara indrindra ho anao Izy ary manolotra fiainana be dia be ho anao.

Tafasaraka amin’Andriamanitra aho

Araka ny natiorantsika, dia tsy mikatsaka an’Andriamanitra isika. Tsy matoky Azy isika ka mandeha amin’ny herintsika samirery: izany no antsoin’ny Baiboly hoe ota. Ny ota no mampisaraka antsika mandrakizay amin’Andriamanitra sy tsy hiainantsika ny fiainana nomaniny ho antsika.

Nomen’i Jesoa ahy ny zavatra rehetra

I Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra, no nisolo antsika teo amin’ny hazo fijaliana, nitondra ny vokatry ny fahotantsika Izy. Maty Izy, nefa nitsangana tamin’ny maty. Izany no nataony dia ny hamerenany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

Hisafidy ny hanaradia an’i Jesoa ve aho?

Naverin’i Jesoa tamin’ny laoniny ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Afaka misafidy ny hiaraka amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanekena izany fanomezana izany amin’ny alalan’ny finoana sy ny fahatokiana Azy.

Te hanao izany ve ianao anio?

Maimaim-poana ny fanombohanao ny fifandraisana manokana amin’io Andriamanitra be fitiavana io, tena tsotra ary hanova ny fiainanao.