Menu

TIA AHY ANDRIAMANITRA

Tena tia anao Andriamanitra! Tsy misy fetra ary tsy misy fepetra ny fitiavany. Nasehony tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy ny fitiavan'Andriamanitra. Afaka mahatsapa io Andriamanitra be fitiavana io ianao, tena misy Izy ary tsy misy iriany afa-tsy ny hiainanao manokana ny fitiavany sy hahitanao ny tanjon'ny fiainanao amin'ny fifandraisanao Aminy.
1 Jaona 4:16 Andriamanitra dia fitiavana Salamo 16:11 Hampahafantatra ahy ny làlan'aina Hianao; Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, Ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay.
manaraka »

TAFASARAKA AMIN’ANDRIAMANITRA AHO

Indrisy anefa fa tsy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra isika satria tsy miraharaha Azy. Mitady fahafaham-po sy fiainana tonga lafatra amin'ny zavatra hafa isika - fa tsy amin'Andriamanitra. Tsy matoky Azy isika ary tsy mihevitra fa ny tsara indrindra no iriany ho antsika. Ny fandehanana amin'ny herintsika samirery sy ny asa feno fitiavan-tena aterak'izany no antsoin'ny Baiboly hoe ota. Ny fahotana dia manimba ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Ny fahotana dia manakana antsika tsy hiaina ny fiainana be dia be izay kasain'Andriamanitra ho antsika.
Romana 3:23 Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. Isaia 59:2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
manaraka »

NOMEN’I JESOA AHY NY ZAVATRA REHETRA

Ny fahotantsika sy ny asa feno fitiavan-tena ataontsika dia tsy nanakana an'Andriamanitra hitia antsika. Tonga olombelona mihitsy i Jesoa Kristy ary nanolotra ny ainy ho antsika. Nisolo antsika teo amin'ny hazofijaliana Izy, nentiny ny vokatry ny fahotantsika rehetra. Maty nefa velona indray Jesoa. Nampihavana antsika amin'Andriamanitra Izy ary mahatonga antsika hanana fifandraisana manokana Aminy. Amin'ny alalan'ny finoantsika an'i Jesoa, dia afaka miaina ny fitiavan'Andriamanitra mandrakariva isika, mahalala ny antom-pisiantsika, ary manana fiainana mandrakizay.
Jaona 3:16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. 1 Petera 3:18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
manaraka »

HISAFIDY NY HANARADIA AN’I JESOA VE AHO?

Efa nataon'Andriamanitra ny zavatra rehetra hanehoany ny fitiavany antsika. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy no anomezany antsika fahafaham-po sy fiainana mandrakizay. Afaka miresaka mivantana amin'Andriamanitra isika - izany no atao hoe "vavaka" - mangataka famelan-keloka tamin'ny niainantsika fiainana tsy nisy Azy.
Jaona 1:12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, Apokalipsy 3:20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko
Manana fanontaniana aho AFAKA MIVAVAKA TOY IZAO IANAO

Africa and Middle East

Asia Pacific

Europe

Latin America, the Caribbean and the US

Manana fanontaniana aho

Mamporisika anao hifandray tsy tapaka aminay izahay. Fenoy tsara ny taratasy milaza ny mombamomba anao etsy ambany, mba hahafahanay manampy anao.